MIPARITAKA NY ZAVA-MAHADOMELINA

« Tokony handray ny andraikiny ny raiamandreny isan-tanana »


  • Talata 21 Mey 2024

Dimy isan-kerinandro raha kely ireo tanora tratra mifoka rongony sy ireo mpamatsy

izany isan-tanana haiditra am-ponja vonjimaika eto amintsika, raha araka ny loharanom-baovao azo. Mpanaparitaka zava-mahadomelina sy mpifoka rongony no mety hameno ny fonja atsy ho atsy vokatr’izany, antony nanosika ny Raiamandreny ara-drazana Randrianatoandro Robert hivoaka tamin’ny fahanginana. Nambarany fa antony miteraka ny fahapotehan’ny tanora ankehitriny io fiparitahan’ny zava-mahadomelina eto amintsika io izay efa tena lasa tsena mihitsy. Lasa mihenabe hoy izy ireo tanora mahavita fianarana hatramin’ny farany eny amin’ny anjerimanontolo ankoatra ireo any amin’ny lisea dia efa miraraka. Mirongatra ireo karazana herisetra toy ny fifanindromana antsy raha tsy lazaina intsony ny fanolanana sy ny halatra hataon’ireo tanora mba hahafahany mividy zava-mahadomelina hofohany na hitsindromany. Tokony handray ny andraikiny noho izany ny Raiamandreny isan-tanana mba hanara-maso sy hananatra ary hitaiza ny tanora tsy ho voasarik’ireny zava-mahadomelina ireny. Ho an’ny mpitandro ny filaminana kosa dia nambarany fa efa tena manao ny asany izy ireny amin’ny fisamborana ireo mpifoka rongony sy ny mpanaparitaka izany. Ho an’ny Fitondram-panjakana dia hentitra izy nilaza fa rehefa tena tsy vita ny manafoana ny fiparitahan’io zava-mahadomelina io eto amintsika dia tokony hahena araka izay tratra izany fa tsy avela ho gaboraraka tahaka izao.
Pati
Legende : Izy no Randrianatoandro Robert, mpitazona ny hasim-piandrianan’Imerina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT