Fandriampahalemana

Ministry ny Filaminam-bahoaka Nidina ifotony teny amin’ireo faritra mena


  • Alakamisy 28 Martsa 2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Minisitry ny Filaminam-bahoaka ny Contrôleur Général de Police Rakotoarimanana Herilala sy ireo mpiara miasa akaiky aminy omaly Alarobia 27 Martsa.Nihaona tamin'ny mponina sy ireo tompon’andraikitra eo anivon'ny Fokontany Ambodirano Ampefiloha, Fokontany Anatihazo Isotry ary Fokontany Andranomanalina Centre ny tenany . Tanjona hamafisana ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny Polisim-pirenena izay vonona hatrany hiaro sy hanampy azy ireo. Nanambara ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka fa manana andraikitra ihany koa ny vahoaka amin'ny fitandroana ny filaminana ary ilaina ny fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny roa tonta. Izany dia mifototra amin'ny fanabeazana ny mponina mba hanaja ny lalàna sy ny fandaminana . Nanentana ny vahoaka ny Minisitra mba hifanome tanana amin'ny Polisim-pirenena amin'ny fanomezam-baovao ka hiantso avy hatrany raha vao misy trangana fandikan-dalàna. Ity fidinana ity moa dia tafiditra ihany koa amin'ny fanokafana ny hetsika Sarika ataon'ny Polisim-pirenena manerana ny Nosy izay haharitra 15 andro. Hifototra amin'ny ady amin'ny zava-mahadomelina sy ny ady amin'ny herisetra ary ny asan-jiolahy izany hetsika izany. Anatin'ity hetsika ity ihany koa no hanamafisana ny hitandroana ny filaminana mandritra ny fetin'ny Paska 2024.
Pati Legende : Nandritra ny fidinana ifotony notanterahin’ny Ministra sy ny ekipany omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT