Fandriampahalemana

Ministeran’ny filaminam-bahoaka Foto-drafitrasa 45 no naorina tao anatin’ny efa-taona


  • Zoma 02 Jona 2023

Fanorenana foto-drafitrasa 45 isa no natao nandritra efa-taona teo anivon’ny Ministeran’ny filaminam-bahoaka. Nanomboka ny taona 2019 no nisian’izany ka hatramin’ity taona 2023 ity.

Miisa 22 ny toeram-piasana sy fonenana ho an’ny Tale-paritry ny Polisim-pirenena ka ny 09 amin’izy ireo no efa notokanana, fa ny telo ambiny folo 13 ambiny kosa miandry fitokanana. Miisa enina 16 ny komisaria eny amin’ny distrika, ka iray 01 no efa voatokana ary ny 15 miandry fitokanana raha miisa 07 ireo vao hatsangana. Mikasika ny fampitaovana kosa dia miisa 16 ny fiarakodia efa azo, 277 isa ny moto izay novidiana sy fanomezana avy amin’ny Filoham-pirenena sy avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Eo amin’ny fampitomboana isa ny mpitandro filaminana dia miisa 04 ny fifaninanana nandraisana mpianatra ho polisy notanterahina nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny taona 2022, ka ny andiany roa voalohany dia efa am-perin’asa ankehitriny izay miisa 2.500. Ny andiany fahatelo kosa miisa 1300 izay mbola eo an-dalam-piofanana ankehitriny raha ny eo am-piandrasana ny valin’ny fifaninanana sy ny fidirana any amin’ny sekoly kosa ireo andiany farany miisa 1300.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT