Minisitry ny mponina

Mangataka mba i Dawilly no hovosirina voalohany


  • Alarobia 06 Martsa 2024

Nozairina ny fivavian’i Harenakely ilay zazavavy kely vao 6 taona

monja naolan’i Dawilly, reseveran’ny taxibe G teny Imerintsiatosika ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny mponina Rtoa Fomendraza Haingo Nambinina tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia rovitra hatrany amin’ny fitombenan’ity zaza ity mihitsy, hany ka tena mahatsiaro mangirifiry ilay tsy manan-tsiny amin’ny fitsaboana azy. Mangataka ny hisantarana ilay famosirana an’i Dawilly, izay tafiditra ao anatin’ny lalana vaovao hamaizana ireo mpanolana araka izany ity Ministra ity, fiantsoana izay miantefa mivantana amin’ny Filoham-pirenena mivady sy ny Ministry ny Fitsarana. Tena mafy hoy izy ny nanjo ny filoham-pirenena mivady nahare ity tranga ity raha tsy lazaina intsony ireo mpiray tanindrazana. Tsiahivina moa fa mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha i Harena kely, izay zaza efa kamboty Ray.
Pati
Legende : Miantso ny hamosirana an’ity lehilahy nanolana an’i Harena ity voalohany ny Ministry ny mponina !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT