MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA

Polisy miova, mandray andraikitra...


  • Alakamisy 16 Oktobra 2025

no Polisy ilaina manomboka izao

Nanatanteraka fivoriambe sy nihaona mivantana tamin’ireo Polisim-pirenena eto Antananarivo, teny amin’ny foibem-pibaikoana Anosy, teny amin’ny tobin’ny FIP Antanimora ary teny amin’ny kaomisaria Foibe Tsaralalàna ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANDRIAMBELO Mandimbin’ny Aina, niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny Commissaire Divisionnaire de Police TSARAMONINA Ravony Jean VICTOR notron'ireo tompon'andraikitra ambony eto anivon’ny Polisim-pirenena omaly Alarobia 15 Oktobra. Nohamafisin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka fa andraikitra lehibe no miandry ny Tale Jeneraly vaovao, ary nomeny baiko ny Polisim-pirenena rehetra hiroso amin’ny fiovàna amin’ny fanatsaràna hatrany ny asa anatin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana araka ny sata mifehy ny Polisim-pirenena. Nanentana ihany koa izy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fanoloran-tena, ho fanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny andraikitra sahanin’ny Polisy manerana ny Nosy mba ho Polisim-pirenena miaro sy manampy ny vahoaka tokoa. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, dia nanambara ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena fa tsy azo ihodivirinana ny fanatsaràna sy ny fiovàna eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny Polisim-pirenena manoloana ny raharaham-pirenena misy ankehitriny.« Polisy miova, Polisy miray hina sy mifankatia, Polisy mandray andraikitra ary Polisy tompon'andraikitra amin’ny sehatra rehetra misy azy » no baiko nomeny ny Polisim-pirenena.
Pati
Légende : Ny Ministry ny filaminam-bahoaka nitafa mivantana tamin'ny Polisim-pirenena !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT