Fandriampahalemana

Minisitry ny fiarovana Tsy mazava hatreto ny tena anton-diany tany Russie


  • Alarobia 16 Febroary 2022

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Masoivoho Rosianina eto Madagasikara sy ny Minisitry ny fiarovam-pirenena Jeneraly Rakotonirina Léon Richard, nanao fintina ny dian’ity farany tany Moscou Renivohitr’i Russie.

 Nilaza ny Ambasadaoro Rosianina Andrey Andreev fa « nifampiresaka tamin’ity minisitra ity mikasika ny vokatry ny fitsidihany tany Moscou, izay fanasavana avy amin’ny ankolafy Rosianina ». Tsy namoaka tamin’ny antsipirihany mikasika ny dia na koa ny fifampiresahana tamin’ity tompon’andraikitra ambony Malagasy ity io Diplaomaty io. Nomarihina fotsiny fa ny fitsidihana dia nifantoka tamin’ny adihevitra mikasika ny tombotsoa iraisana. Ny volana janoary, tsy teto amin’ny firenena tsy nisy fanazavana ofisialy ny Minisitry ny fiarovana, ary tsy nisy ny fitondrana fanazavana tamin’ny tsy fahitana azy. Ny fiandohan’ny febroary moa no efa nahenoana fa nihazo an’i Russie ity Minisitra ity, saingy tsy nisy fampitam-baovao ofisialy. Asa inona loatra no diany any? Amin'izao toe-draharaha mampihenjana ny fifandraisana eo amin'ny Rosiana sy ny Amerikanina miaraka amin’ny tandrefana no nisian’ny fivoahana sy fitsidihana an'i Russie. Zavatra maika ve ka tsy maintsy naleha. Ny teto amin'ny firenena ihany koa mantsy manahirana ihany teo anatrehan'ny fidiran'ny rivodoza Ana kanefa manana andraikitra amin'izany ny tafika. Ny volana febroary 2021 dia isan'ireo niatrika "Aero India 2021" tany Inde ity Minisitra ity, ka nambara fa tanjona ny hijery ireo teknolojia momba io sehatra io sy hitadiavana mpiara-miombon'antoka. Mbola resaka fitaovam-piadiana tahaka izany ary ve izany no anton-dia any Russie satria isan'ireo efa lasa lavitra amin'izany ity Firenena herin'ny Firaisana Sovietika ity? Raha izay, inona no tsy nisian’ny tatitra sy fampitam-baovao ofisialy hatrany am-piandohana ? Mampiahiahy, ary ahiana ho misy resaka politika sy jeopolitika avo lenta ny toe-javatra manjavozavo tahaka izao, indrindra fa izy miseho ao anatin’ny toe-draharaha hafahafa sy mafampana na ny iraisam-pirenena io na ny eto an-toerana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT