Fandriampahalemana

Minisitry fiarovana miatrika ny AIS Niresaka fitrandrahana ny ranomasina ho angovo


  • Talata 06 Desambra 2022

Any Bali Indonésie mandray anjara amin'ny AIS (Archipelagic and Island States Forum) izay fihaonam-ben'ireo Firenena sy Nosy Manodidina ny Ranomasimbe Indianina nanomboka omaly 5 Desambra 2022 ny Jeneraly

Rakotonirina Richard Minisitry ny Fiarovam-pirenena sady Minisitry Raharaham-bahiny mpisolo toerana. Omaly, nisy ny fandraisan’anjarany tamin'ny Blue Innovation Solution Conférence izay Fikaonan-doha hitadiavana ireo fomba fiasa vaovao hiarovana ny harena ao amin'izany ny tenany. Noresahina nandritra ity Fikaonan-doha ity ny fametrahana ny paikady iraisana amin'ny fiarovana ny sisin-dranomasina sy ny fitantanana ny harena no an-dranomasina amin'ny endriny vaovao, araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nisy ny fandraisam-pitenenany omaly, izay nataony tamin’ny teny Indoneziana izany no mifono hevitra manokana ho an’i Madagasikara. Noresahiny ny fanavaozana azo atao amin'ny fitrandrahana ny ranomasina hiteraka angovo na ny "Énergie Renouvelable Marine" (ERM) ka tafiditra ao anatin'izany ny fampiasana ny lomo-dranomasina na ny "algues" hamokatra angovo sy hanadio ny rivotra iainana. Eo ihany koa ny famokarana herinaratra amin'ny ranomasina sy ny fanodinana ireo akora plastika. Navohitrany ihany koa ny fandriampahalemana eny an-dranomasina indrindra ny ady amin'ny jiolahitsambo sy ny fiarovana ny harena an-dranomasina izay andraikitry ny firenena na atao hoe « actions de l’état en mer » izany. Nihaona tamin’ny Minisitra mpandrindra ny raharaha an-dranomasina Indonezianina Luhut Pandjaitan moa ity Minisitra Malagasy ity, niresaka ny fomba entina hanamafisana ny fiaraha-miasa eo firenena roa tonta sy ny fandrindrana ny eny an-dranomasina mba hanatsarana bebe kokoa ny fitantana ny harena an-dranomasina. Nihaona tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahinin’ny Sri Lanka Tharaka Balasuriya ihany koa, niresaka ny fanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Madagasikara sy Sri Lanka ka tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana mikasika ny vatosoa sy ny fandriampahalemana an-dranomasina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT