Minisiteran’ny foloalindahy

« Tsy ana jeneraly ilay


  • Alarobia 02 Septambra 2026

fiara nitondra rongony ! »

Voamarina fa tsy manam-boninahitra Jeneraly no tompon'ilay fiara na tao anatiny tratra nitondra rongony tany amin'ny distrikan'i Betroka ny 30 Aogositra lasa teo misasak’alina. Nivoitra izany omaly nandritra ny fampitam-baovao nataon'ny Ministeran'ny Foloalindahy. Olona tsy manana io laharam-boninahitra io izay ninia nanao sandoka no fantatra fa nanatontosa ilay asa ratsy. Nomarihin'ny teo anivon'ny Ministera ary fa ny fiara entina manatanteraka asa sy iraka ihany no tokony ahitana ny marika maha-manam-boninahitra Jeneraly (cocarde), ary tokony ho hita ao anatin'izany fiara izany ny mitondra ilay laharam-boninahitra. Mampitandrina ireo olona mampiasa na mitonona ho Foloalindahy amin'ny fanaovana zavatra tsy mifanaraka amin'ny foto-kevitra hijoroan'ity farany, indrindra ny fampiasana ireo famantarana mampiavaka ny asan'ny Foloalindahy, toy ny fanamiana, ny laharam-boninahitra (grade), ny famantarana amin’ny trano na fiara…..araka izany ny Ministera.
MANOME TOKY
Eo am-piandrasana ny valin'ny fanadihadiana dia manome toky ny Ministeran'ny Foloalindahy fa raha misy miaramila amperin'asa voakasik'izao raharaha izao dia hisy ny fandraisana fepetra hentitra ara-miaramila izay tsy misakana ny sazy sy fanenjehana araka ny didy aman-dalana manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena. Miantso ireo Manamboninahitra Jeneraly, Manamboninahitra ambony, Manamboninahitra, Manamboninahitra Lefitra sy Miaramila an-daharana koa izy ireo mba hanaja hatrany ny fitsipika sy lalana mifehy azy ireo, ka hitandro toy ny anak’andriamaso ny hasina maha-miaramila, mba tsy hahafahan’ny mpanoso-potaka misandoka ny andraikitra sy ny maha-izy azy ny miaramila tahaka izao. Tanjon'izy ireo mantsy ny hametrahana ny vina : « Foloalindahy manakaiky vahoaka.
Nangonin'i Pati
Légende : Mpisandoka mpanao ratsy no tao anatin'ity fiara ity!
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT