Fandriampahalemana

Minisiteran’ny Fizahantany Nisy nikasa hamono i Roland Ratsiraka ?


  • Alakamisy 29 Jona 2017

Omaly alarobia 28 jona tokony ho tamin’ny 9 ora maraina no nahitan’ny mpiambina tanàna eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany eny Tsimbazaza grenady, teo amin’ny toerana fametrahan’ny minisitra Roland Ratsiraka ny fiarany.

Nahitana finday iray ihany koa teo akaikin’io fitaovam-piadiana io. Mety ho ny fiaran’Andriamatoa minisitra mihitsy no nokendrena ? Nantsoina ny mpitandro ny filaminana. Nidina ifotony teny an-toerana ny avy amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava, ny avy amin’ny Toby Ratsimandrava, ny avy amin’ny Toby Capsat.  Ny avy ao amin’ity farany no misy ny manamboninahitra manampahaizana manokana amin’ny fifehezana ireny baomba ireny tsy hipoaka. Araka ny fanampim-panazavana tamin’ny mpitandro ny filaminana, dia tsy natahorana hipoaka intsony ilay baomba. Efa nisaraka taminy rahateo ny famahanana azy. Efa ela sy efa simba ihany koa izy io. Grenade offensive izy ity. Raha ny fanazavana ara-teknika dia tsy mahery vaika loatra, ka ny eo akaikin’ny fipoahana manodidina ny 5 m no mety haratra raha mipoaka izy, ary tsy maharava rindrina. Ny borigady misahana ny heloka bevava na ny BC Anosy no nandray an-tanana ny fanadihadiana mikasika ny fahitana ity fitaovam-piadiana ity. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha. Saika hifofoana ny ain’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka ve izy ity ? Misy hifandraisany amin’ny raharaha politika eto amin’ny firenena ve ? Sa fanakorontanana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny raharaha mafampana eto amin’ny firenena fotsiny ? Maromaro ihany ny resaka politika mafampana toy ny fanalana tompon’andraikitra ambony. Hatramin’ny fanovana governemanta no re fa mety hisy ato ho ato. Hankalaza ny faha-15 taonany ihany koa ny antoko Tiako I Madagasikara, ka tsy hay na efa tanjona amin’ny hisakanana ny famoriam-bahoaka ihany koa izao.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT