MILAZA HO MAHAY MAMPITOMBO VOLA

Nenjehina hatrany Sambava izy roa, efa nahazo 15.750.000 Ar


  • Alarobia 05 Jona 2024

Ela ny ela fa tratra ireo mpivady mpisoloky rehefa nenjehina hatrany Sambava.

Ny 30 May lasa teo no nahazo angom-baovao ny Zandary avy ao amin'ny borigadin’ Ambohimalaza mikasika ny fisian’izy ireo. Teny Fiadanana, Fokontany Ankadiefajoro, Kaominina Anjeva, Distrikan’Avaradrano no voasambotra izy ireo. Raha tsiahivina kely dia mody manome fampiofanana maimaim-poana izy ireo amin'itony hoe : fampitomboana vola malaky itony. Lazain’izy ireo fa mitombo 50% isan-kerinandro ny vola ampiasaina amin’izany. Rehefa mifandray elaela amin'ireo olona izay jonoiny izy ireo dia alainy amin'izay ny vola ka efa nitentina 15.750.000 Ariary no azon'izy ireo tamin'izany. Ilay lehilahy dia mbola nahatrarana kara-panondrom-pirenena sandoka ihany koa. Efa natolotra ny fitsarana moa izy ireo ka efa naiditra eny Antanimora vonjimaika.
Pati
Legende : Ireto izy roa efa tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT