Fandriampahalemana

Mijaly ny Malagasy Olana tsy mety voavaha ny tsy filaminana


  • Zoma 30 Aogositra 2019

Saika isan’andro no ahenoana sy isehoana toe-javatra ratsy foana mahakasika ny filaminana sy ny manodidina izany eto Madagasikara.

 

Kolonely iray avy amin’ny zandary nidoboka am-ponja fa nisandoka andraikitra tany Port Bergé, polisy nitifitra olona imasom-bahoaka teto Antananarivo, miaramila voarohirohy amin’ny fampanofana basy sy famoahana bala, volana vitsy izay no nisiana famonoana olona telo voasambotra tany Ambohimahasoa toa niteraka disadisa teo amin’ny mpitsara sy ny miaramila, matetika misy ny mpitandro filaminana teo aloha na am-perinasa tafidira anaty tambajotran-jiolahy … Mandeha fitsarana, manao don-tandroka ny lehibeny avy eo afaka ireo mpitandro filaminana na dia lazaina aza hoe tsy miray tsikombakomba amin’ny ratsy ny zandary sy polisy ary miaramila. Henjana be ilay hoe “esprit de corps” misy amin-dry zareo. Noho izany anefa, dia lasa tsy mahatoky intsony ny vahoaka ka manao fitsaram-bahoaka, efa tena sarotra foanana tahaka ny doro tanety sy ny halatra omby io eto Madagasikara. Tsy voafehy intsony izany ny firenena fa sarintsariny ivelany fotsiny no misy arahana serasera matanjaka hoe manao ny asany amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ny mpitandro filaminana fa raha ny tena zava misy marina iainana andavanandro dia mandry andriran’antsy ramalagasy na an-drenivohitra io na ambanivohitra. Io tsy fifehezana ny filaminana io no mahatonga ny mpiara-miasa misalasala hamatsy vola be hanaovana asa goavana eto. Ny  ao an-trano voatafika, ny mpandrotsaka vola voatafika, ny eny amin’ny banky efa andraman’ny jiolahy, ny “cash point” efa sakafon’ny jiolahy isaky ny mihetsika. Na “epicerie” aza voatafika amin’ny andro atoandro, ka majifa ny vola maty. Ekena fa misy ny ezaka ary matetika mamoaka tarehimarika ny amin’ny jiolahy tratra na maty sy ny basy amam-bala azo ny mpitandro filaminana saingy tsy ampy hampitony ny rehetra izany. Fitaintainana isan’andro n’aiza n’aiza aleha. Sady noana ny Malagasy, tsizarizary ny fampianarana, ny asa tsy ampy,  mbola ampiriatin’ny jiolahy ihany koa.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT