Fandriampahalemana

Miarinarivo Rava ny tambazotra iray mpangalatra sy mpividy henan-kisoa


  • Talata 23 Aogositra 2022

Tratra tao Miarinarivo ny olona telo izay tena tompon’antoka amin’ny ambazotra lehibe mpangala-kisoa. Afak’omaly Alahady 21 Aogositra no nahatrarana azy ireo.

Mampikaikaika ny mponin’i Miarinarivo mihitsy ny fisian’izy ireo raha tsiahivina, izay ahitana mpividy henan-kisoa halatra. Raha tsarina dia misy ireo mpangalatra kisoan’olona any am-bala, misy kosa ireo mpandray ny hena halatra avy eo. Noho ny angom-baovao azon’ny Polisy miasa any an-toerana, dia tratra tao amin’ny tananan’i Miarinarivo ny lehilahy iray mpivarotra henan-kisoa halatra. Noentina tany amin’ny birao ity farany nanaovana fanadihadiana, ka tamin’izany no nahafantarana ireo namany hafa mpiray tambazotra aminy. Vantany vao azo ny mahakasika ireo namany, dia natao avy hatrany ny vela-pandrika rehetra, ka tratra ny olona roa naman’ilay mpivarotra kisoa halatra. Misy ny mpangalatra araka izany raha misy ny mpamono ny kisoa halatra. Noentina tao amin’ny biraon’ny CSP Miarinarivo ihany koa ireto roa lahy ireto. Efa hatreto amin’ny faritr’Antananarivo moa no fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny araka ny fanadihadiana natao. Niaiky ny heloka vitany ity tambazotra mpangalatra kisoa ravan’ny polisin’ny Miarinarivo ity. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary efa naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT