Fandriampahalemana

Miandrivazo Nanjavona ny gadra 32 kanefa tsy vaky ny fonja


  • Talata 09 Novambra 2021

Tsy vaky ny fonja ary tsy nisy ny lositra na fitsoahana saingy tsy hita fotsiny ireo gadra miisa 32 tao Miandrivazo, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja na DGAP,

 Ranaivo Tovonjanahary Andriamaroahina. Mitohy ny fanadihadiana ary hivoaka tsy ho ela ny marina momba izany, raha ny fintin’ny fanazavany hatrany. Velom-panontaniana moa ny ankamaroan’ireo mpanara-baovao mikasika ity zava-misy ity. Matoatoa ve izany ireo voafonja tsy hita ireo? Nentin’ny avelo ve? Iza no namoaka an-tsokosoko azy ireo tao? Hatraiza ny fanaraha-maso ny zava-misy ao amin’ny fonja sy ireo voafonja? Isan’ny fanontaniana hiandrasana valiny mafonja ireo ka asa na ho vitavita ho azy toy ny resaka “bonbon sucette” sy “écran plat” indray na “satroboninahitra” sy “volamena 73,5kg”.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT