MIADANA ALASORA

Fiara iray nahitana fatin'olona


  • Zoma 13 Martsa 2026

Fiara iray no nahitana fatin'olona

omaly Alakamisy 12 Martsa tokony ho tamin’ny 10 ora sy 45 minitra maraina. Faara Hyundai camionette miloko fotsy no nahitana ny razana tao Antanety, Fokontany Miadana Kaominina Alasora. Lehilahy mpamilin'ilay fiara ihany io hita faty tao anatiny io izay vao 42 taona.Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandarimariam-pirenena ao Alasora niaraka tamin’ny Polisy sy Dokotera avy ao amin’ny CSBII Alasora nanao ny fizahana. Araka ny fanadihadiana voalohany hita sy tsapa dia ahiana ho nokendaina ilay lehilahy, antony nahafaty azy.Mitohy araka izany ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Efa nampandrenesina kosa ny fianakavian'ny maty.
Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nahitana ilay faty olona !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT