Metisy Sinoa tratra nangalatra dokotra

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka


  • Talata 28 Novambra 2023

Tovolahy iray manodidina ny 26 taona eo ho eo no tratra nangalatra dokotra tany Ambonivary kaominina

ambanivohitr’Ampitatafika distrikan’ Antanifotsy ny Alahady 26 Novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva. Dokotra miisa 5 teny an-tanimbary no notsiriritin’io tovolahy io ka nataony tao anaty akanjo ny iray rehefa azony. Hitan'ny tompony anefa izany ka niantso fokonolona ity farany. Raikitra ny hakamonomono nandritra izany ka saika matin’ny fitsarana ilay ranamana. Tonga ihany anefa ny zandary nanakana ireo fokonolona saingy efa nivindimbindina aoka izany ny endrik’ilay ranamanakely. Metisy sinoa moa izy io raha araka ny fantatra izay hiakatra fitsarana anio Talata raha tsy misy fiovana. Pati
Legende : Dokotra angamba no tsy ampy amin’ity metisy Sinoa ity !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT