Lehilahy iray no hita faty teny Antsahabe Antsakaviro ny marainan’ny sabotsy 10 jona teo.
Mpandalo sendra nantsaka rano no nahita ny razana ka avy hatrany dia nampandre ny sefo fokontany teny an-toerana. Ity farany indray avy eo no nampandre ireo mpitandro ny filaminana. Araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny borigady misahana ny ady heloka bevava dia metisy karàna sahabo 40 taona izy io ary tsy nisy taratasy nahafantarana azy teny aminy fa rojo iray teny an-kodiny ihany no nahafahana nanao ny fanadihadiana. Nisy dian’antsy teo amin’ny tratra sy tendron-dohany, araka ny fanazavan’ireo polisy siantifika. Araka ny vinavina dia nisy namono tany amina toeran-kafa izy fa natsipy teo Antsahabe ny razana avy eo. Nitondra finday sy solosaina entin-tanana ary vola izy raha ny fitantaran’ireo akaiky azy saingy tsy hita teny aminy intsony nandritra ny fahitana ny vatana mangatsiakany. Raha ny fanehoan-kevitry ny lefitry ny filoham-pokontany eny an-toerana Randrianoelisaona Tiavintiana koa dia tsy maty teo an-toerana fa tany ivelany. Nilaza kosa ny kaomisera Rabearisoa Alexandre, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny polisim-pirenena manoloana ny fampifandraisan’ny olona azy amin’ny resaka fakana an-keriny. Hatreto aloha dia herisetra sy fanendahana fotsiny ny nahafaty azy fa tsy misy hifandraisany amin’ny resaka fakana an-keriny, hoy izy. Rehefa nozahana teny amin’ny tranompatin’ny CHU-JRA Ampefiloha ny razana dia nohamarinin’ny fofombadin-dRatompokolahy fa i Er Gabin no anarany ary avy any Ambilobe izy no nivahiny teto. Mitohy ny fanadihadiana.
Mirija sy Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.