MERIMANDROSO

Ny setro-drongoniny no nahatrarana ilay jiolahy


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Nisy andian-dehilahy nikononkonona fanafihana tao amin’ny firaisam-pokontany ao amin’ny kaominina Merimandroso

 ny 18 Jolay lasa teo. Nohamafisin’ny zandary araka izany ny fisafoana sy ny fanaraha-maso nanerana ny fari-piadidiany. Nampiasa ireo hetsika rehetra izy ireo ka fofon-tsetroka rongony nanempotra nipopololotra no henon'izy ireo ka narahany avy hatrany. Lehilahy nitangorona , nikononkonona no sady nidoroka no hita tao amina toerana mangina efa mampiahiahy ny mponina.Vao nahita ireto zandary izy ireo dia nitsoaka nanao tari-dositra. Lavon'ny balan’ny zandary ny iray nandritra izany.Nahitana basy vita gasy iray,sabatra iray ary ody gasy maro teo amin'ity toerana fikononkononan'izy ireo ny ratsy nokasainy hatao ity. Nanambara moa ireo zandary fa mbola hitohy ny fitsimponana ny naman’ilay efa lavo hahafahany manadio tanteraka ny tananan’Ambohidratrimo izay hiadidiany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay jiolahy namoy ny ainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT