Mendrika, vehivavy 20 taona

Maty novonoin'ny sakaizany


  • Alakamisy 05 Martsa 2026

fa tsy nety nanala zaza

Ny alin’ny 03 Martsa 2026 tokony ho tamin’ny 11 ora, nahazo antso maika ny Polisim-pirenena noho ny herisetra nitranga tao Analamahitsy Tanàna. Vehivavy iray antsoina hoe Mendrika manodidina ny 20 taona no hita naratra mafy sy nandriaka rà teo anoloan’ny trano iray, ka nisy niantso vonjy avy hatrany. Nentina haingana tany amin’ny Hôpitaly HJRA izy, saingy tsy tana ny ainy ny marainan’ny omaly 04 Martsa 2026 noho ny ratra nahazo azy. Alohan’ny nahafatesany dia mbola afaka nanazava ny zava-nitranga izy, ary nilaza fa ny sakaizany ihany no nahavita ny herisetra. Araka ny tatitra, nanery azy hanala zaza io lehilahy io, saingy tsy nanaiky izy ka niafara tamin’ny famonoana. Ny fanampim-baovao nentin’ny vaovao an’habaka iray hafa moa nilaza fa nitondra vohoka 2 volana izy. Noteren'ilay sakaizany hanala zaza fa tsy nanaiky. Nifona taminy ilay tovolahy. Tampoka teo, nakapony tamin'ny rindrina i Mendrika. Notsatohany antsy avy eo. Nalainy ny findainy sy ny kitapo ary ilay « test de grossesse » izay hita fa « positif ». Nariany ireo fitaovana ireo, saingy natorony an'ireo polisy rehefa voasambotra ny tenany. Ny Polisy tao amin’ny Kaomisaria Analamahitsy no nisambotra ilay lehilahy izay vao 19 taona, ary efa niaiky ny heloka vitany. Mitohy ny fanadihadiana, ary ny Brigade Criminelle na Borigady misehana ny heloka bevava no misahana izany, hoy ny fampitam-baovao ofisialy.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT