Fandriampahalemana

Matsiatra Ambony Lehilahy iray nahatrarana basy sy grenady


  • Zoma 13 Mey 2022

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka DRSP Matsiatra Ambony tao amin’ny fari-piadidiany ny lehilahy iray 22 taona afak'omaly alarobia tokony ho tamin’ny 01ora tolakandro.

Tafiditra ao anatin'ny fikambanan-jiolahy izay mpambotry ireo mponina any an-toerana mantsy izy no sady mbola nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika ihany koa.Fantatry ny Polisy miasa any an-toerana ny olona izay anisan’ny mpamatsy fitaovam-piadiana ireo mpanao ratsy any amin’iny faritra iny. Avy hatrany dia tany amin'ity lehilahy ity ny sain'izy ireo ka nidina teny amin’ilay tanana voalaza izy ireo. Tra-tehaka tao amin’ny trano fonenany ny lehilahy ka tsy afa-nikofoka. Nandritra ny fisavana ny trano fonenany dia mbola nahitana basy MAS 36 , bala miisa 05, basim-borona 01, « grenades défensives » miisa 02, solosaina miisa 02 sy panneau solaire 01 halatra tao aminy. Nahitana fanamiana mpitandro ny filaminana sy ody gasy maromaro fampiasa mandritra ny asa ratsy hotanterahany ihany koa. Mitohy ny fanadihadiana amin'ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba aminy. Tsiahivina moa fa natao handemena ireo olona hanaovan-dratsy ny fampiasana ody gasy hataon'ireo mpangalatra tahaka izao.
Pati
Legende:Basy, grenady ary ody gasy no tratra tao amin’ilay lehilahy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Fandraharahana ny fonja
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nandray ny fibaikoana ny DGAP

  • TSENAN'ANOSIBE
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Nihena 4 ny mpangarom-paosy

  • Mahazomà Maevatanana
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Olona 5 indray maty, omby

  • MORON’NY FARIHIN'ANOSY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Fatin-dehilahy iray hita

  • Fanafihana eny amin’ny RN1
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Matin’ny zandary i Njato

  • Ny olona tsy ampy,
  • Talata 28 Aprily 2026

ny ambana mitombo, ny fitaovana efa fahagola,

Hijery ny tohiny
FTT