MASON’NY OLONA VARIRA

« Tsy misy hery manokana izany »


  • Talata 24 Septambra 2024

Tsy misy hery manokana izany ny mason’ireo olona manana toe-tena varira,

hoy izy ireo. Noho izy ireny tsy ampy ireo karazana otrik’aina no antony tsy ahitana ilay loko mainty tokony ho hita ao anatin’ny masony sy tsy hitovizany amin’ny mason’ny olona ara-dalana. Noho ny tsy fahazakany ny masoandro ihany koa no mahagara maso azy ireny fa tsy mahitabe araka ny tsaho haelin’ny sasany akory. Io hery manokana izay hinoan’ny sasany io mantsy amin’ny ankapobeny no manosika azy ireo haka an-keriny ireo olona varira, hanapa-doha azy ireny ary haka ny voamasony. Miisa 6 mianadahy izy ireo no arovana mafy ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Soanala, distrikan’i Betroka amin’izao fotoana izao ankoatra ireo any amin’ny distrika hafa. Ny solombavambahoaka any an-toerana sy ny vadiny no mandray an-tanana azy 6 mianadahy ireo. Nambaran’ity solombavambahoaka ity taorian’ny diany tany Zimbabwe nandritra ny herinandro fa efa nisy ny volavolan-dalana narosony teo anatrehan’ireo parlemantera vahiny namany mikasika ny tokony hamoahana ny lalana ho fiarovana ireo olona manana toe-tena varira eto amintsika. Tsy mbola nahitam-bokany mihitsy mantsy hatreto ny fanenjehana ireo olona tratra na voarohirohy tamin’ny famonoana azy ireny ka tokony hojerena akaiky.
Pati
Legende : Ity Renim-pianakaviana ity izao dia notapahin-doha teo imason’ny vadiny ary namoy ny ainy mihitsy noho izy heverina ho manana hery hafa !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT