MASINDRAY AVARADRANO

Tratra tao ambany fandriana ilay mpamaky trano


  • Talata 20 Mey 2025

Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,

Fokontany Manazary, kaominina ambanivohitra Masindray, distrikan’Avaradrano ny 18 May lasa teo tokony ho tamin’ny 3 ora folakandro. Mpiara-miasa akaiky amin'ny zandarimaria no niantso fa misy olon-dratsy tafiditra an-tsokosoko tao amina tokantrano iray eo akaiky ka vetivety dia tonga ny zandary. Niara-niditra tamin'ny tompon-trano hizaha izay ao anatiny izy nandritra izany ka tsy afa-nivoaka intsony ilay ranamana. Ny lamba rehetra tao anaty arimoara efa mikorontana ambony ambany no hita izay saika hangalarany lamba.Tovolahy iray 30 taona monina ao amin'ilay tanàna ihany ity mpangalatra tratra ity.
Pati
Legende : Tahaka izao ny paozin’ilay ranamana tao ambany fandriana tao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT