Fandriampahalemana

MASCAR Andravoahangy Vao nivoaka ny fonja dia nangalatra indray


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Lehilahy miisa roa omaly Alarobia maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany no tratra nangalatra piesina moto teny amin’ny Mascar Andravohangy.

Teo anoloan’ny toerana fiantsoanan'ny kodiaran-droa na moto teny an-toerana izy ireo no tratra. Nanendaka tsy nitsahatra ireo kodiaran-droa izy ireo nefa ny mpitandro ny filaminana tsy nitsahatra ny nijery akaiky ny zavatra nataon'izy ireo. Niezaka ny nandositra ihany moa izy roalahy ireto saingy tsy afa-niala intsony. Rehefa natao ny fisavana azy ireo dia nahitana " lame" fandidiana sy "cache moyeu de marque Hyundai galloper 01 " ary certificat de mise en liberté 01 teny amin'izy ireo. Teo no nahitana fa vao nivoaka ny fonja ny iray tamin'izy ireo ary mbola tamana angamba ka izao niverina nanao ny asa ratsiny izao sahady.
Nangonin’i Pati Legende : Ireto izy roalahy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT