MAROALIKA ANKILIZATO

Avotra ilay zaza varira natao « kidnapping »


  • Alarobia 15 Novambra 2023

Tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany ihany rehefa nisy naka an-keriny

nandritra ny volana maromaro ny zazalahy kely varira iray. Raha tsiahivina ny tantara dia tao amin'ny Maroalika ,Fokontany Morarano, kaominina Ankilizato, distrikan’i Toliara II no nitrangan’ity tantara mampalahelo ity. Nanao ny ezaka rehetra sy ny zava hao ary ny kalony ny zandary ka saika voasava avokoa ireo toerana nahiahiana antony nahazoana izao vokatra izao. Salama tsara moa ilay zaza ary efa napetraka ao amin'ny tobim-paritry ny zandarimaria izy efa-mianaka miaraka amin’ny fianakaviany mba ho fitandrovana ny ainy. Vao 3 taona monja moa ity zazalahy kely ity raha araka ny loharanom-baovao azo hatrany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay zazalahy kely avotra soa aman-tsara !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT