MANTASOA: FANAFIHANA NAHAFATY OLONA

Ny rafilahiny ihany no ahiana naniraka jiolahy


  • Alakamisy 20 Febroary 2025

Niseho ny marina mikasika ilay fanafihan-jiolahy namoizana ain’olona tao amin’ny Fokontany Anjozoro,

kaominina ambanivohitra Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana ny alin’ny 11 Janoary lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tokantrano miisa 2 no lasibatra tamin’izany ka ny tokantrano voalohany dia mpivarotra amoron-dalana izay voaroba vola 2 tapitrisa Ar sy finday miisa 3 ary vata fahitalavitra fisaka iray. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nahazo azy nandritra izany ilay lehilahy tompon-trano. Raha araka ny fantatra dia ny vadin’ilay madama mpivarotra amoron-dalana io taloha ihany no ahiana ho nahavanon-doza. Tsy nitsahatra ny namoaka vava fandrahonana sy nanao ambana matetika mantsy ny lehilahy koa ahiana ho naniraka jiolahy nanafika sy ati-doha nikotrika ilay fanafihana. Ilay tokantrano faharoa indray dia nahazoan’ireo jiolahy vola 160.000 Ar sy finday saingy tsy nisy ny aina nafoy. Ny 17 Febroary teo moa vao nosamborina io lehilahy iray ahiahiana sy ireo namany miisa 2 ka anisany ny mpiara-monina izay manana lonilony sy ny mpitondra fiangonana iray izay nanao fandrahonana ihany koa vantany vao voasambotra ilay voalohany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny mpitsara moa dia naiditra am-ponja zy roalahy voalohany raha nahazo fahafahana vonjimaika kosa ilay mpitandrina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • ANOSIMASINA ITAOSY
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Tovolahy iray matin'ny kodiaran-droa

  • Halatr'omby tsongonofotra
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nampangain'ny alikany ireo jiolahy

  • TRANGA HAFAHAFA
  • Alarobia 22 Aprily 2026

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

Hijery ny tohiny
FTT