MANOMBO ANDOHANILAKAKA

Nahitana razana efa tsy nisy lohany intsony


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Tsy mitsahatra ny fanapahan-doha any amin’iny faritra Atsimon’ny Nosy iny.

Taorian’ny tany amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo dia fatin’olona iray indray afak’omaly no hita teo amoron-dranon'i Manombo, Andohanilakaka izay efa tsy nisy lohany intsony. Raha araka ny tombana dia vao haingana ihany no nisy namono io olona io izay tombanana ho lehilahy, hoy ny loharanom-baovao azo. Tsy fantatra mazava kosa anefa izay tena antony namonoana sy ny antony nakana manokana ny lohany. Ny tombatomban’ny mponina any an-toerana no milaza fa mety ho nalain’ny sasany mba hanaovana ody gasy sy sorona indray ny lohan’ity razana ity. Diso maro loatra mantsy ireo tovolahy tsy an’asa any an-toerana hany ka lasa manaotao foana mandripaka ny mpiara-belona tahaka izao. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no afaka tena hanamarina izany na tsia.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay razana !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT