Fandriampahalemana

Manjakaray Nitifitra ny jiolahy dia nitsoaka


  • Alarobia 20 Desambra 2017

Nirefodrefotra ny basy ary raim-pianakaviana 1 no nokendrena notifirina, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso. Voa teo amin’ny tongony izy. Lonilony sa sotasota tsotra izao ? Nisavoritaka tetsy Manjakaray an-tampon-tanàna, tokony ho tamin’ny 9 ora latsaka fahefany alin’ny alatsinainy teo.

 

 Nirefotra in-telo ny basy. Raha ny fizotry ny tantara, nitondra “môtô bwise” ilay tovolahy nitifitra, izay teny am-pitan’ny arabe tamin’io fotoana io. Nisokatra ny vavahadin’ilay raim-pianakaviana, izay nisotrosotro teo an-tokotaniny niaraka tamin’ireo namany vitsivitsy. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso, basy vita gasy no nentin’ilay olon-dratsy, tamin’io fotoana io. Ny andro rahateo, somary efa maizimaizina ihany, ny olona mbola mifamezivezy. Ny tifitra fanintelony no nahavoa ilay raim-pianakaviana teo amin’ny tongony ka nandriaka manerana ny tokotany ny ra. Nikoropaka ny iray tanàna, namonjy ilay voatifitra ary nentina teny amin’ny hopitaly HJRA. Nisy ihany ireo naman’ilay raim-pianakaviana nanenjika, saingy efa tsy tratra intsony ilay olon-dratsy. Raha ny loharanom-baovao, tsy vao izao fa efa fanintelony no saika nisy hifofo ny ain’ity raim-pianakaviana ity. Tamin’ny taona 2016, no efa nisy nandraraka asidra ny tenany, teny Manjakaray. Ny volana jolay teo, olona roa nitondra môtô koa no efa nikendry azy tamin’ny fitifirana asidra, raha izy nitondra fiara hody, raha avy namangy olona teny amin’ny hopitaly saingy tsy izy no voa fa ny vady aman-janany, niampy olona iray nentin’izy ireo tao anaty fiara. Nilaza ny hametraka fitoriana eny anivon’ny polisy moa ny fianakaviana. Ny faran’ny herinandro teo ihany koa moa dia efa nampitaraina ireo mpandalo teny amin’iny faritr’i Behoririka sy ny manodidina iny ny firongatry ny fanatahana poketra. Hampahafantatra ny fepetra horaisin’izy ireo hitandroana ny filaminana mandritr’izao vaninandro fety izao kosa ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena anio, raha ny fampitam-baovao.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Mpamongady voatafika
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

tao Ambatolampy Tovolahy roa voatifitra,

  • ANOSIBE
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty voatifitra teo

  • Asa ratsy sy halatra
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

eny amin'ny RN7 Lasibatry ny jiolahy ny fiara

  • Fandorana Kaomisaria sy herisetra tao Vohémar
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hisy fanenjehana ara-pitsarana ireo tompon’antoka

  • Tsiroanomandidy Ville
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Voasambotra ireo jiolahy

  • MAHAJANGA
  • Talata 14 Aprily 2026

Tambajotra mpangalatra moto iray sarona

Hijery ny tohiny
FTT