Fandriampahalemana

Manjakandriana – Mahanoro Olona roa no voalaza fa very taova tao anatin’ny iray volana


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Tsy mandry fahalemana ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Manjakandriana, distrikan’i Mahanoro, Faritra Atsinanana.

Olona roa hatreto raha araka ny loharanom-baovao azo no nalaina taova tao amin’ity kaominina ity ka anisan’izany ilay Rangahy lehibe iray 60 taona vao namoy ny ainy tamin’ny Alakamisy alina teo. Raha tsiahivina dia nalana ny lela, ny sofina ary ny mason’ity lehilahy ity. Mbola nalana ihany koa anefa ny mahalehilahy azy raha araka ny loharanom-baovao ka olona miisa 5 no efa midoboka any am-ponja amin’izao fotoana izao. Fa talohan’Itompokolahy dia zaza vao 8 taona monja ihany koa no nisy naka taova tao amin’ity kaominina ity ny 18 febroary lasa teo.Taova maromaro no nalana taminy raha araka ny fanazavana azo avy any an-toerana hatrany, antony namoizany ny ainy. Efa napetraka eo anivon’ity kaominina ity araka izany ireo karazana paikady hahafahana mamongotra ireo mpanolo olona any an-toerana.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT