Fandriampahalemana

MANJA Vehivavy iray hita faty, voatapa-doha


  • Talata 13 Desambra 2022

Renim-pianakaviana iray manodidina ny 45 taona eo ho eo no hita faty efa tsy nisy lohany intsony tany amin’ny distrikan’i Manja afak’omaly alahady maraina.

Olona handeha hiantsena no nahita ny razana efa nivalampatra tsy nisy lohany intsony no sady mbola karazan’irony nafenina tao anaty kirihitr’ala irony ihany. Efa somary maina moa ilay ra tamin’ny faritra nanapahana ny lohan’ity renim-pianakaviana ity tamin’ny fotoana nahitana azy. Tombanan’ny sasany ho saika nalana voamaso ity Renim-pianakaviana ity raha ny zava-misy. Mbola misy ihany anefa ireo velona ka naleon’ireo mpanao ratsy notapahana mihitsy ny lohany raha ny tombatombana hatrany. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery ny zava-misy ireo mponina any Morondava sy Manja manoloana izao tsy fandriampahalemana mirongatra any an-toerana izao.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT