Manja, Ambanivohitr’i Morondava

Mirongatra ny fanakanan-dalana


  • Talata 05 Desambra 2023

Tsy milamina ny ao Manja, ambanivohitr’i Morondava, 190 km atsimon'i Morondava,

raha ny fampitam-vaovao sy fitarainan’ireo mponina avy any an-toerana. Misy manakana foana ny lalana, hoy ny mpitondra fivavahana iray nampita ny vaovao. Nisy dahalo izao vao nandroba kamiao nikatso. Tsy mandehandeha mihitsy izao fa mipetraka an-trano no fahendrena. Misy ny atao hoe Kalaony aty dia ireny no mandeha miambina tanàna. Miasa be ireny amin’izao. Amin’izao, noho ny tontolon'ny fifidianana dia tsy milamina ny tany. Tamin’ny tapa-bolana no nitranga izany fanafihana izany. Tamin’izany nandeha nihazo An’i Morondava. Tany amin’ny toerana akaikin'ny Soanierana no nisy Kamiao nihitsoka, 75km avaratry Manja. Tsy fantatra ny isan’ny dahalo satria tamin’ny alina zareo no nanafika. Lasa daholo ny kitapo, ny telefona ary ny enta-madinika an'ireo mpandeha. Olona aty Manja no tompon'ilay kamiao. Tsy nisy maty, tsy nisy naratra fa mirongatra ny mpanakan-dalana aty amin’ny lalana aty, ny mankany amin’ny kaominina aty amin’ny distrika dia enjana ny lalana. Ankoatran’izay dia tsy resaka dahalo ihany no misy aty fa eo koa ny fanararaotana ataon’ny mpivarotra satria toerana lavitra andriana na “zone enclavé” ny aty. Ny lasantsy izao 8000 Ariary, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ny mponina any an-toerana.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT