Fandriampahalemana

Manizingizina ny zandarimariam-pirenena “Nanaja lalàna sy niaro lakazerina izahay”


  • Zoma 16 Septambra 2022

Nanamafy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Serge Gellé nandritra ny fampitam-baovao nataon’ny zandary, fa fanarahana ny lalàna no nataon'ny mpitandro filaminana tany Ikongo ho fiarovana ny lakazerina.

Nanitrikitrika fa nisy ny tifi-danitra, ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso mialohan'ny tifitra, ary naneho aza fa tsy nitranga ny toy ireny raha samy nanaraka lalàna. Raha ny tatitra avy any Ikongo, mahatratra 29 ireo namoy ny ainy vokatry ny tifitra natao tamin’ireo vahoaka voalaza fa nanafika lakazerina ny 29 aogositra lasa teo. Ny antontan’isan’ny zandary kosa milaza fa 21 izany ka ny 2 tamin’ireo dia tsy tifitra fa ny vady sy ny zanaka vavin'ny iray amin’ireo olona 4 nosamborina, izay hita faty notsatotsatohana antsy. Tsy mbola hita hatramin'izao kosa ireo olona miisa 4 voarohirohy sy nosamborina ho tompon'antoka tamin'ny famonoana ny renin'ilay zaza varira, izay nahatonga ny Fokonolona nitaky fitsaram-bahoaka. Araka ny tatitra omaly, olona miisa 49 no efa nohenoina mivantana hatramin'izao izay nahitana zandary, fokonolona, ben'ny tanàna miisa 4, ary ireo olona naratra. Mbola hisy ihany koa ny fanadihadiana hatao an’ireo polisy miisa 5, mpandraharahan’ny fonja miisa 3 izay voalaza fa nanampy ny zandary nandritra io toe-draharaha io. Efa nisy moa ny resaka nifanaovan’ny SEG tamin’ny mpanao gazety iray ny herinandro lasa teo, ka isan’ny voarakitra ao anatin’izany ny nilazany hoe: “Borigady no notafihina fa samy tao daholo ireo “Force” telo ireo ary nisy polisy aza tsy nitondra basy avy any fa naka basy sy bala tamin’ny zandarimaria. Io Polisy io aza nitifitra naharitra ela na dia efa nandositra ireo olona. Vavolombelon’izany ny olona tao an-tanàna...”, hoy izy tamin’izany. Tena hafahafa ny hoe: basin’ny zandary no nomena ny polisy! Nilaza ny zandary fa nisy ny famerenana ny endrika nisehoan’ny tranga na “reconstitution des faits”, nohitrikitrihana fa voahaja ny dingana fampitandremana, tao anatin'ny faritra mena tsy azo ihoarana avokoa no nisy ireo olona miisa 9 voatifitra ka namoy ny ainy teo noho eo raha ny valin’ny fanadihadiana,...
MIFANOHITRA
Mifanohitra tanteraka amin’io kosa no efa nambaran’ny Depioten’Ikongo Atoa Razafitsiandraofa Brunelle, fa ny tatitra azony tamin’ny nanatri-mas, dia “tao anatin’ny fifampiresahana no nisy zandary miresaka amin’ny tompon’andraikitra lehibe anankiray ao anatin’ny mpitandro filaminana amin’ny “kit main libre”, ary heno ny baiko hoe: “tonga dia rafaleo”. Nomena ahy ny anaran’io olona io, ny anaran’ilay tompon’andraikitra, fa misafidy ny tsy hamoaka aho, mba tsy tonga dia ho “cible” io”, hoy ny depiote Brunelle izay marihina fa manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena. Nangataka ihany koa ny tao Ikongo hoe: andefaso fitaovana hitondrana ireo olona ireo fa mitaky ny vahoaka, fa tsy mamaly ny tompon’andraikitra eto Antananarivo”, hoy hatrany izy. Nisy fetra napetraka teo anoloan’ny vavahady, saingy nafindra, naroso, kanefa na ilay voalohany na ilay faharoa, dia mbola tsy tonga tany amin’ny birao ny vahoaka. Ny “danger réel” sy “danger imminent” dia efa tena loza hihatra aminao, izay vao afaka manohitra, ary tokony ho mitovy ihany koa ny hery ao anatin’izay. Amiko “tsy fiarovan-tena fa fandripahana vahoaka ny “rafale” tao anaty minitra lava kanefa tsy dahalo ny manoloana anao fa vahoaka”, hoy ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa. Ahoana izany no hiafaran’ny raharaha? Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ve ny mpitandro filaminana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT