MANGATOKA - MAHAJAMBA USINE

Dahalo roa lavo, tratra ny basy vita gasy nampiasainy


  • Talata 02 Jolay 2024

Dahalo roalahy afak’omaly Alahady nifoha omaly Alatsinainy 01 Jolay no lavon’ny mpitandro

ny filaminana tany Mangatoka, Mahajamba usine, ao Mahajanga. Tratra niaraka tamin’izy ireo nandritra izany ny basy vita gasy nampiasainy sy ny entana halatra maro. Nandritra ny fifandonana vokatry ny fifanjevoana tao anaty haizina moa no nitrangan’izany. Mbola nahatrarana finday sy vola 120 000 Ariary niampy volamena sy volafotsy koa tany amin’izy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tsikaritry ny fokonolona tao Antanamandroso, fokontany Mangatoka kaominina ambanivohitra Mahajamba-usine ny dahalo tompon'antoka tamina fanafihana mitam-piadiana efa nokarohina ny alin'ny 29 Jona teo. Nifarimbona ny zandary sy fokonolona avy ao Bepaipaika , Tsiaromaso Madirofolo nihazo ny fokontanyTsarazazamandimby hanao ny fisamborana ka nahazoana izao vokatra izao.
Pati Legende : Ireto tratra ireto ary efa namoy ny ainy ny ampahany raha mbola karohina kosa ireo namany !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT