MANGARIVOTRA TOAMASINA

Tsy milamina ny fandriampahalemana


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Tsy milamina ny fandriampahalemana ao Toamasina ao.

Ankoatra ny vaky trano sy ny vono olona dia misy hatrany ny resaka sotasota hifanaovan’ny samy olona toy ny nitranga tao Mangarivotra Toamasina afak’omaly Sabotsy alina. Toeram-pisotroana iray na bara no potika tanteraka niaraka tamin’ny kodiaran-droa na moto miisa 2. Lehilahy iray ihany koa no voavelin'ny tavoahangy saingy nahay niala. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy lehilahy iray nitondra fiara teny ivelany ka nadonany in'efatra tamin'ilay toeram-pisotroana ilay fiara antony nahasimba ilay bara sy ireo moto miisa 2 nijanona teo ivelany. Voatery niantsoana mpitandro ny filaminana mihitsy ny raharaha noho izany saingy tsy nisy ny aina nafoy na ny naratrabe. Marihina moa fa saika miainga avy amin’ny lonilonin’ireo lehilahy ao an-toerana hatrany no mahatonga ny fifandonana tahaka izao. Vao tamin’ny Zoma teo ihany koa dia lehilahy iray no fantatra fa nandrahona mpitondra tuc tuc tamin’ny basy teny an-tanany saingy rehefa vory lanona ny fokonolona dia lasa niala moramora ilay lehilahy.
Pati
Legende : Tokony hihidy amin’ny ora ara-dalana ihany koa itony bara itony hisorohana ny fifandonana tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT