Fandriampahalemana

Mangarivotra Toamasina Teratany Sinoa iray voaroba 180 tapitrisa Ar


  • Zoma 16 Desambra 2022

Teratany Sinoa iray indray no niharan’ny fanafihana mitam-basy afak’omaly Alarobia tao Mangarivotra Toamasina.

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany maraina no nitrangan’izany, tera-tany Sinoa izay voalaza fa mpandraharaha ara-toekarena mpivarotra sy mpanafatra ireny karazana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireny.Telolahy mody nisandoka ho mpiasan'ny Jirama hijery kaontera no niditra tao an-tokantranony ary nivimbina kaontera mihitsy. Refa tafiditra tao an-trano anefa ireto farany namoaka basy avy hatrany ka nanambana ilay Sinoa. Vola mitentina 180 tapitrisa Ar no nanjavona tamin’izany niaraka tamin’ny firavaka maro. Raha araka ny fantatra moa dia efa nisy nanafika ihany koa ity metisy Sinoa ity tamin'ny taona 2021 ka vola mitentina 50 tapitrisa Ar no very tamin’izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy mandry fahalemana ny ao Toamasina ao amin’izao (sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT