MANGALATRA MOTO

Mahazo moto 1 na 2 isam-bolana ireo tena efa atidoha


  • Alarobia 12 Martsa 2025

Moto iray na 2 isam-bolana raha kely no entin’ireo efa tena ati-doha amin’ny fangalarana azy

eny Andoharanofotsy Atsimondrano eny ary ovainy ny lokony avy eo. Niainga avy tamina fitoriana nataona tokantrano iray nisy namaky teny Andoharanofotsy teny ny alin’ny 12 Febroary teo no nahatrarana azy io. Finday iray very tao amin’io tokantrano io no tsikaritra teo ambony latabatry ny mpisera finday tao amin’ny tsenan’Andoharanofotsy. Io mpisera finday io avy eo no nahatrarana ilay mpandoko moto nanakalo finday teo amin'ity mpisera ity. Tovolahy iray nitondra moto no nanome ilay finday ho an'ny mpandoko ho saran'ny fandokoany ilay moto halatra. Olona 4 no voasaringotra vokatr’izany. Lohalaharana ilay mpisera finday halatra. Teo koa ny mpandoko ilay moto sy ny mpividy halatra ary ilay mpiray tsikombakomba. Olona efatra mpanao halatra moto sady mpamerin-keloka moa no mbola karohina ary atao hazalambo. Nahitana moto miisa 8 halatra moa tao amin’izy ireo toy ny Kymco G5, ny Super 8….niampy carenage 6 gony.
Pati
Legende : Ireto ireo karazana moto efa tratra tao amin’izy ireo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • VONO OLONA-FISOLOKIANA...
  • Alakamisy 18 Jona 2026

« Vokatry ny tsy fahampian'ny fanabeazana »

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

Hijery ny tohiny
FTT