Manenjana amintsika i Etazonia

Harahi-maso hentitra ny sambo avy


  • Zoma 27 Febroary 2026

eto sy niantsona teto Madagasikara...

Nofoanan’ny U.S. Coast Guard nanomboka ny 25 febroary 2026 ny port facility exemption (fanalefahana sy fialàna amin’ny fepetra fiarovana an-tsambo) ho an’ny seranan-tsambo eto Madagasikara, Kamerona ary Iraka, noho ny ambaran'izy ireo fa tsy fanarahana ny fenitra fiarovana manohitra ny asa fampihorohoroana takian’i Etazonia. Voalazan'ny manampahefana amerikanina fa tsy mahafeno ny fenitra takiana intsony ny rafitra misy eto an-toerana amin’izao fotoana izao, indrindra eo amin’ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakana, ny fanombanana ny loza mety hitranga ary ny fampiharana ny fepetra fiarovana, anisan’izany ireo mifandraika amin’ny Kaody ISPS. Voalaza kosa fa tsy misy sakana amin'ny fifanakalozana ara-barotra moa ity fanapahan-kevitra ity. Vokatry ny fanafoanana, ny sambo avy aty Madagasikara na niantsona tamin’ny seranan-tsambo malagasy dia hojerena amin’ny antsipiriany rehefa tonga any Etazonia: fanaraha-maso lalina, fanamarinana ny ekipazy, fanaraha-maso ny entana, antontan-taratasy fanampiny, ary mety hisy fepetra hentitra hafa sy fanonerana. Vokatr'izany, hitombo ny fahatarana any amin’ny seranan-tsambo amerikana, hiakatra ny vidin’ny lozistika, hisy fiantraikany mivantana amin’ny mpanondrana (toy ny AGOA) sy ny mpitatitra, ary mety hiantraika amin’ny vidin’entana ho an’ny mpanjifa. Anisan'ny Firenena voakasika amin'izany ihany koa moa i Kambodja, Kamerona, Komoro, Kioba, Korea Avaratra, Guinée équatoriale, Gambia, Guinée-Bissau, Iran, Iraka, Libia, Madagasikara, Mikronesia, Nauru, Nizeria, Sao Tomé sy Principe, Seychelles, Soudan, Suriname, Siria, Timor-Leste, Venezoela, Yemen. Ny fanapahan-kevitra amerikanina dia manala ny tombon-dalana ara-piarovana ho an’ny seranan-tsambo malagasy sy firenena maro hafa, ka mitarika fanaraha-maso henjana sy fepetra fanampiny amin’ny sambo mankany Etazonia. Heverina ho mety mifandraika amin'ny jeopolitika, politika, toekarena mifandray amin’ny fifaninanan'ny Bekintana amin’i Rosia sy ny firenena BRICS ihany koa amin'ny lafiny iray. Eo ny fepetra ara-piarovana mahazatra apetraky ny Amerikanina izay tena tsy andeferany fa tombanana ho mailo amin'ireo Firenena heveriny ho manana na mamboly fifandraisana akaiky amin'ireo Firenen-dehibe mpifaninana aminy toa an'i Rosia, Chine,... ny Bekintana. Na izany aza, Madagasikara dia efa nametraka ny diplaomasia misokatra sy miara-miasa amin'ny rehetra izay mety hahazoan'ny Firenena tombotsoa, araka ny fanambarana maro nataon'ny Fitondrana Fanavaozana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Olona varira any ITASY
  • Alarobia 17 Jona 2026

Maniry ny hisian'ny

  • TOVOLAHY MAMON-DRONGONY
  • Talata 16 Jona 2026

Maty notsondrominy

  • INFIRMIERA MPIANA-DRAHARAHA
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

Nofatorana, naolana avy eo novonoina

  • RN1 - Sprinter sy fiara
  • Alatsinainy 15 Jona 2026

mpitatitra entana nifandona

  • Fanondranana an-tsokosoko
  • Zoma 12 Jona 2026

sokatra Efa tambazotra tsara mpiaro ?

  • FOKONTANY ANKAZOTOHO
  • Alarobia 10 Jona 2026

ANOSIZATO ANDREFANA

Hijery ny tohiny
FTT