Fandriampahalemana

Mandrangombato II Notifirin’ireo jiolahy izy mianaka avy niantsena


  • Alatsinainy 14 Martsa 2022

Nisehoana fanafihana mitam-piadiana teny Mandrangombato II ny sabotsy hariva teo tokony ho tamin'ny 7ora sy fahefany.

Jiolahy mitam-basy handeha hanafika no nifanena tamin'ny olona izay voalaza fa mpianaka avy niantsena.Notifirin’ireo jiolahy araka izany izy mianaka ka naratra mafy. Voatifitra teo amin'ny valahany ny iray raha teo amin'ny tongony ny iray.Tafaporitsaka ireo andian-jiolahy taorian’izany . Tsy nisy sahy nanenjika rahateo ireo fokonolona noho ireto farany nitondra basy. Anisan’ny tena nampitaraina fatratra ireo mponina teny an-toerana ny tsy fisian’ny mpitandro ny filaminana tokoa. Efa ho ora iray no niantsoana mantsy hono izy ireo mbola tsy nisy mpitandro ny filaminana tonga namponjy ihany.Avy hatrany moa dia nentina teny amin'ny hopitaly kosa ireo naratra ary efa samy nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy. Marihina moa fa ankoatra ny eny Anosibe eny dia lasa faritra mamay koa ny eny Itaosy…. amin’izao. Hetsika andrasana amin’ireo tompon’andraikitry misahana ny filaminana araka izany ny tokony hanapariahana azy ireny fa tsy avela fotsiny hivangongo eto an-drenivohitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT