Mandabe Mahabo

Notapahan’ny olona ny tanan’ireo dahalo lavo


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Nisy fanafihan-dahalo tany amin'ny kaominina Mandabe, distrika Mahabo,

faritra Menabe omaly 04 febroary 2024 tamin'ny 6 ora sy sasany maraina teo. Dahalo miisa 16 lahy nirongo basim-borona miisa 10 no nanafika. Nifarimbona nanara-dia ny zandary sy ny miaramila ary ny fokonolona. Vokany, 4 ireo dahalo lavon'ny mpitandro filaminana. Notapahan'ny fokonolona ny tanan'ireo dahalo maty ka natao haingon-tanàna, hoy ny fampitam-baovao. Mangataka ireo fokonolona hanampiana isa sy fitaovana ireo mpitandro filaminana any mampandry tany fa tena mijaly ny vahoaka amin'ny tsy fahandriampahalemana, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Tena henjana ny tsy fandriampahalemana, ary leo sy tofoka tanteraka ny olona matoa tonga amin’ny fihetsika tahaka izao. Ny ahiana fotsiny dia ny mety hisian’ny valifaty aoriana raha tsy fongotra ireo olon-dratsy, ary mihamafy ny fampandriana fahalemana.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT