Fandriampahalemana

Manao fanamiana zandary, misetrasetra Tratry ny ampamoaka ilay ben’ny tanàna


  • Alarobia 30 Martsa 2022

Niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny sarina lehilahy iray, voalaza fa Ben'ny tanànan'ny Kaominina ambanivohitra Befotaka,

distrikan’I Mahanoro, Faritra Antsinanana. “Izy io tompoko dia manao fanamiana zandary ary entiny hampihorohoroana olona any an-tanàna izany satria milaza azy ho lehibe, mpandidy sy mpanapaka amin’ny fanjakana izy. Mamatotra olona tsy ara-dalàna izy (miaraka amin'ny rojo vy sy fanapazana olona amin'ny masoandro) raha misy tsy mifanara-kevitra aminy, ny vadiny izay rasazy amin’io tanàna io ihany dia tsy mitsabo olona tsy mitovy firehan-kevitra ben’ny tanàna vadiny”, hoy ny fanehoan-kevitra. Voalaza fa manery ary mandrahona ny olona izay mikasa ny hitory azy ary manao eson-teny fa tsy matahotra fitsarana izy satria manam-bola ary mahay olona ao amin'ny fitsarana, hoy hatrany ny fitarainana. Nisy anefa ny nanao ampamoaka ka na nilaza fa na inona na inona ataon’ity olona ity, dia tsy hitsahatra izy ireo, ka na rahonanao aza dia tsy avelanay raha tsy mipoitra ny marina, hoy ny mahatsiaro ho lasibatra. “Mangataka aminareo : Ministry ny ati-tany, minisitry ny fitsarana, sy ny ratsa-mangaika rehetra hijery anay fa mihorohoro sy mijaly zahay vahoaka noho izy mivady miseho ho tsy maty manota ireto”, hoy ny antso avo. Manoloana ny fitarainana, nanao setriny tamin’io fitarainana sady fitorohana io avy hatrany kosa ny zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny “InfoCom Seg” fa “efa an-dalana ny famotorana momba ny nahazoany ny fanamiana, ankoatra ny famotorana momba azy mahakasika raharaha hafa. Ny Fitsarana no hanapaka ny tohiny”. Hisy izany ny fandraisana andraikitra mazava ho azy. Na izany aza, matetika ny lalàna eto amintsika miredareda am-boalohany toy ny afo-mololo, toy ny “rétroviseur” ho an’ny moto, ny resaka fanamiana maramara mitovy ny an’ny mpitandro filaminana io izay voarara tsy azon’ny sivily,… Momba ity farany aza depiote mpanao lalàna izao no minia mandika lalàna manao akanjo “vert armée” toy ny an’ny mpitandro ny filaminana saingy hiniana mody mitady. Io indray fa misy ben’ny tanàna manao ny ataony. Ny lohany tokony ho fitaratra mihitsy anie izany eto no matsantso sy manao tari-bato vilam-bava ka mampiana-dratsy ny olom-pirenena e! Mbola tany misy Fanjakana ve eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT