Fandriampahalemana

Mananjary Nahatrarana vola sandoka mitentina 96.050.000 Ar


  • Alakamisy 06 Aprily 2023

Saika niparitaka ny vola sandoka tany amin’ny distrikan’i Mananjary raha tsy mailo ireo olona tsara sitrapo. Lehilahy miisa telo,

26 taona no zandriny indrindra raha 46 taona no zokiny indrindra tratra tany ami’ity distrika ity afak’omaly. Nidina avy hatrany tao an-tranon’izy telo mirahalahy ny mpitandro ny filaminana raha vantany vao nahare izany. Tratra niaraka tamin'izy ireo nandritra izany ireo fitaovana maro isan-karazany entiny hanamboarana ireo vola sandoka izay vitan'izy ireo dika mitovy tahaka ny vola tena izy mihitsy. Vola sandoka mitentina 96.050.000 Ariary no efa vitan'izy ireo ka miisa 4. 737 amin'ireo no vola 20. 000Ar. ,130 isa kosa ny vola dika mitovy amin'ny 10. 000Ar, miisa roa kosa dika mitovy amin'ny 5.000Ariary. Efa natao fanadihadiana moa izy telo mirahalahy ireto ka fantatra fa hiakatra fitsarana anio.
Nangonin’i Pati
Legende : Izy telo mirahalahy sy ireo vola sandoka efa vitany
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT