MANANJARY

Lehilahy hita faty teny


  • Zoma 10 Jolay 2026

an-tanimbary, tsy nisy pataloha

Lehilahy iray manodidina ny 40 taona no hita faty teny an-tanim-bary akaikin'ny Kaominina Tsaravary, distrikan'i Mananjary afak'omaly Talata 07 Jolay. Tombanana ho vahiny Itompokolahy. Raha araka ny fantatra mantsy dia tsy misy mahalala azy ny olona tao an-tanana ary tamin'io andro io ihany koa izy no nisy nahita nandalo teny an-toerana. Tsy mbola hita mazava tsara koa na niharan-doza na nisy namono ilay Itompokolahy. Na izany aza efa tonga nijery ny razana ny tompon'andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana ka ny fanadihadiana hataon'izy ireo no hamoaka ny tena marina. Ny fokonolona sy ny Association Mifangomba , tarihin'ny Solombavambahoaka Manager Haja moa no mandray an-tanana ny fikarakarana ny razana hatramin'ny omaly hariva fotoana nanoratanay mandra-pahitana ireo fianakaviany. Tsiahivina moa fa tsy nanao pataloha intsony ny tapany ambanin'Itompokolahy nandritra ny fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany.
Nangonin'i Pati
Légende : Nandritra ny fotoana nahitana ny razana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT