Fandriampahalemana

Manandriana Maty nisy namono ilay mpiasan’ny fahasalamana


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Mpiasan’ny fahasalamana iray izay fantatra fa lehiben’ny mpiasa ao amin’ny BSD Manandriana, DRSP Amoron’i Mania no maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny Alahady alina hifoha Alatsinainy teo. T

ao Ambatonosy no nitrangan’izany vokatry ny hetraketrak’ireo olon-dratsy mpamono olona izay mbola tsy tratra hatreto . Raha araka ny fantatra dia mpampivelona ao amin'ny CSB 2 Ambovombe Centre. Roa moa no zakan’izy mivady ireto izay vao 6 taona sy 2 taona. Miantso ny ny tsirairay isan' ambaratongany, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka araka izany amin'ny fanamafisana ny fitandroana ny Fandriam-pahalemana manerana ny Nosy.Eo an-daniny dia manameloka ary tsy manaiky ny herisetra hatao amin'ny mpiasan'ny fahasalamana amin'ny endriny rehetra ity ministera iray ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ratompokolahy namoy ny ainy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT