MANANDRIANA AVARADRANO

Lehilahy roa tratra nangalatra katsaka sy voatabia


  • Alatsinainy 12 Febroary 2024

Noho ny fanentanana nandritra ny tagnamaron’ny fandriampahalemana dia lehilahy

miisa roa no saron’ny fokonolona nangalatra voatabia sy katsaka teny an-tanimboly omaly Alahady 11 febroary tokony ho tamin’ny 03 ora maraina tao Ambohimpananina, Kaominina ambanivohitra Manandriana distrikan’ Antananarivo Avaradrano. Nalain’ny zandary avy ao amin’ny Borigadin’i Sabotsy Namehana natao famotorana avy hatrany izy ireo. Efa maro ireo niharan'ny halatra voly am-potony tahaka izao tato ho ato ho an’ity distrika iray ity antony nandraisan'ny fokonolona fepetra hanao fiambenana. Rahampitso Talata moa izy roalahy ireto no hiakatra fitsarana izay marihina fa efa samy Raim-pianakaviana mamelom-bady aman-janaka avokoa.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra nangalatra katsaka sy voatabia teny an-tanimboly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT