Fandriampahalemana

Manandriana Anjakan’ny asan-jiolahy tanteraka


  • Alakamisy 11 Mey 2017

Tena mavaivay ny resaka tsy fandriampahalemana isan’andro any amin’ny distrikan’i Manandriana Faritra Amoron’i Mania noho ny fanafihan’ny dahalo mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, indrindra ao amin’ny kaominina 3 dia i Vohimena,

Anjoma Nandihizana ary ao Ambohipo, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tany an-toerana, ny depiote Andrianjanahary Fanomezantsoa. Vao tamin’ny alahady lasa teo fotsiny izao no nisy fanafihana nataon’ny dahalo ka nahafatesana miaramila kaporaly iray ary dia lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny basy kalachnikov nentiny niaraka tamn’ny “chargeur” sy ny bala nahatratra 60 isa niaraka taminy. Manao izay ho afany ny fokonolona any an-toerana sy ireo mpitandro ny filaminana misy saingy be no ho vitsy sady tsy ampy fitaovana  ka matahotra. Miantso ny fitondrana mahefa ny tenako, hoy ity depiote ity, indrindra ireo tompon’andraikitra mivantana amin’ny resaka fandriampahalemana mba hijery akaiky ny toe-draharaha misy any an-toerana sy handray andraikitra avy hatrany hamaha ny olana fa tena tandidomin-doza ny  distrikan’i Manandriana. Mila ampiana ireo mpitandro ny filaminana any an-toerana sy ny fitaovana ampiasainy fa ao amin’ny borigadin’i Manandriana dia tsy misy afa tsy zadandry 11 no miasa amin’ny kaominina 10 misy ary 3 monja ny ao amin’ny tobin-janaparitra (postes advances) ao Talatan’i Vohimena.

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabĂ´tazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

  • Tambazotra
  • Zoma 18 Septambra 2026

mpaka voamason'olona varira

Hijery ny tohiny
FTT