Fandriampahalemana

Mananara Avaratra Tsy ampy taona ny 2 tamin’ireo mpamaky trano sy magazay


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Trano fivarotana iray no fantatra fa vaky tao amin’ny fokontany Tanambao, Antanambao, Antanankoro, distrikan’i Mananara Avaratra afak’omaly 06 septambra.

Andian-jatovo manodidina ny 16 ka hatramin’ny 18 taona no tompon’antoka tamin’izany izay marihina fa tsy ampy taona ny iray. Raha araka ny fantatra dia miditra amin’ireny toeram-pivarotana toy ny Epicerie ireny izy ireo ka misy amin’izy telolahy no mampiresaka ny mpivarotra ary ny sasany kosa manararaotra maka ny entana rehefa variana ilay mpivarotra. Tompona tranom-barotra iray misy caméra de surveillance anefa no tonga teny amin’ny biraon’ny polisy tany an-toerana nametraka fitoriana ka nahafahana nisambotra ireto olon-dratsy ireto. Rehefa natao ny fanadihadiana azy ireo dia fantatra fa efa isan’ireo mpanao asa ratsy efa karohin’ny polisy any an-toerana izy ireo. Misy amin’izy ireo no manao halatra mitam-piadiana ary miditra an-keriny ihany koa amin’ireo mpivarotra any an-toerana. Tsara ny manamarika fa vola sy fitaovana sarobidy hamidy no tena alain’izy ireo amin’izany asa ratsy hataony izany. Natolotra ny fampoavana omaly izy ireo ary fantatra. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ka fantatra fa samy nofaizina araka ny lalana avokoa.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT