Fandriampahalemana

Manakara Tratra ireo namono ilay tovolahy mpanangona lavanila


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2020

Lehilahy telo no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny DRSP Vatovavy Fitovinany tao Manakara ny zoma 21 aogositra teo noho ny resaka vono olona nitranga tany an-toerana ny talata 18 aogositra lasa teo.

 

 

 

 Raha tsiahivina kely ny tantara dia lehilahy iray, 22 taona, mpanangona vokatra lavanila ao Manakara, no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana, ary lehilahy iray hafa, mpitarika cyclo-pousse izay niaraka taminy no naratra mafy, tamin’io datin’ny 18 Aogositra io tao amin’ny fokontany Lalinovy, kaominina ambanivohitr’i Manakara. Ilay naratra mafy moa dia efa nalefa namonjy toeram-pitsaboana ao Manakara. Telo andro taty aoriana dia fantatra fa telolahy no nandray anjara mivantana tamin’io vono olona sy fandratràna izay niseho tao Mahatsinjo, kaominina ambanivohitr’ i Manakara io. Mbola tsy fantatra ny tena antony fa mitohy ny fanadihadiana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT