Mampitandrina ny mpitandro filaminana

«Aza manandrana maka sary hetsika mitam-basy akory!»


  • Zoma 21 Febroary 2025

Mandritry ny hetsika mitam-basy ataon'ny mpitandro ny filaminana na «opération policière»,

hoy ny fampitandreman’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny seraseran’ny CIRGN omaly, dia aza manandrana maka horonantsary na «vidéo» na sary akory. Ny mpanao gazety aza esorina lavitra mihitsy, hoy ny fanazavàna. Tsy ho lafonao amidy akory iny sary sy horonantsary iny ary hahafaty anao ny fitiavana "J'aime". Misitriha an-trano, mijanòna amin'ny toerana takona! Rehefa tsy ny ao an-tranonao no idiran'ny mpitandro filaminana dia asitriho ny loha sy ny kibo! Ny bala very sy ny piti-bala na «balle perdue – ricochet» dia mety hamono ka hifanome tsiny amin'ny mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany. Tsy mitifitra ny mpitandro filaminana raha tsy efa misy ambana na tsy manaiky samborina mora ny olona tadiaviny, izay ilay hoe «menace contre eux ou riposte ou refus de coopérer». Mahavoasazy ihany koa ny mamoaka horonan-tsary na sary mpitandro filaminana manao ny asany ankoatran'ireo mpiasa matihanina nahazo alalana hanao izany, hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT