Fandriampahalemana

Mampiditra 30 000 Ar isan’andro Mirongatra ny halatra Cyclo-pousse ao Toamasina


  • Alakamisy 03 Aogositra 2023

Fotoanan’ny fialan-tsasatra lehibe izao. Betsaka ireo olona avy eto an-drenivohitra no miondrana mankany amin’ny faritra mba haka rivotra toy ny hita ao Toamasina sy Mahajanga ao.

Mikarama fatratra noho izany ny cyclo-pousse sy ny bajaj. Mampiditra 30.000 Ar isan’andro ny cyclo-pousse iray raha kely ankoatra ny vola entin’ny mpamily mody any amin’ny vady aman-janany. Tsy vitsy ireo miketrika mba hanana azy ireny noho izany, antony manosika ny sasany hangalatra. Lehilahy iray 29 taona no voasambotry Polisy tao Tanambao V Toamasina afak’omaly Talata 01 aogositra tokony tamin'ny 12 ora rehefa nangalatra cyclo-pousse. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no naheno fokonolona niantsoantso fa misy mpangalatra cyclo-pousse saika hitondra izany avy hatrany hitsoaka. Niroso tamin'ny fisamborana avy hatrany ny Polisy ka tra-tehaka tamin’izany ity lehilahy ity. Noentina avy hatrany teny amin'ny biraon'ny polisy izy ho fiarovana ny ainy raha hiakatra fitsarana anio Alakamisy kosa ny raharaha. Efa misy tambajotra mihitsy moa ny mpangalatra cyclo-pousse ao Toamasina ao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay ranamana tratra nangalatra cyclo-pousse
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT