Fandriampahalemana

Mamory Ivato Tratra ilay jiolahy nikasa hamaky orinasa Sinoa iray


  • Talata 18 Febroary 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny Service Central Anti-Gang (SAG) ny alahady lasa teo teny Mamory Ivato teo am-pikononkononana fanafihana mitam-piadiana.

 

 

 

 Ny alakamisy  13 febroary  no nahazo loharanom-baovao avy amina tsara sitrapo ny polisy mahakasika ny fisiana andian’olona mikononkonona fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny faritra Ivato. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ka fantatra fa orinasa 1 izay ana teratany sinoa no kasain’ireto jiolahy ireto hotafihina tamin’io alahady io. Nametraka vela-pandrika ny polisy avy ao amin’ny SAG ka tokony ho tamin’ny 02 ora sasany folakandro no tonga nihaodihaody teo amin’ny manodidina ilay orinasa ny 01 tamin’ireo andian-jiolahy, tsy hita kosa ireo namany hafa. Tsy niandry ela ny polisy fa avy dia niditra an-tsehatra ka nisambotra ity olon-dratsy ity. Rehefa nosavaina ilay jiolahy dia nahitana basy poleta 01 sy bala miisa 07. Nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny Sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny ady heloka bevava sakelika fahefatra ity lehilahy ity ary tamin’izany no nahafantarana fa efa-dahy izy ireo no nikasa hanao ity fanafihana ity ary vola maro ao anaty baoritra no saika nalainy tao. Eo am-pikarohana ny 3 ambiny ny polisy amin’izao fotoana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT