Fandriampahalemana

Malagasy miara-miainga « Karohy ny atidoha nikotrika ny raharaha Ambolotarakely”


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Manoloana ny famonoan’olona mahatsiravina izay nitranga tao Ambolotarakely, Ankazobe, ny zoma 29 jolay 2022 lasa teo dia nanao fanambarana ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM

fa manameloka ny herisetra sy fihetsika feno habibiana izay namoizana ain’olona miisa 32. Maneho fiaraha-miory amin’ny fianankavian’ny maty rehetra ary mitondra ny teny fampiononana avy amin-janahary ho an’ny mponina rehetra ao Ambolotarakely, hoy izy ireo. Mirary fahasitranana aingana ho an’ireo izay mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly. Mampirisika sy mankahery ireo mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona izay manatanteraka ny asany amin’ny fikarohana sy fisamborana ireo nahavanon-doza, indrindra, ireo atidoha nikotrika. Manasa ny fitsaràna hampihatra am-pahamarinana ny lalàna mifanandrify amin’ny heloka vitan’ireo rehetra tafiditra tamin’iny raharaha iny mba ahafahana mamerina indray ny fahatokisan’ny olompirenena malagasy ny fitsaràna sy ahafahana miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT