MAINTIRANO

Olona 4 votsotra teo am-pelatanan’ny dahalo


  • Talata 30 Aprily 2024

Taorian’ny distrikan’Anjozorobe dia mirongatra ihany koa ny asan-dahalo miaro

fakana olona an-keriny any amin’ny distrikan’i Maintirano. Nosakanana jiolahy tao avaratr’i Bemena, Faritra Melaky ny olona maromaro ny 26 Aprily lasa teo raha tsiahivina. Lasan'ireo olon-dratsy an-keriny nandritra izany ny olona miisa 4. Niantso mpitandro ny filaminana avy hatrany ny fianakavian’ireto farany nandritra izany saingy nandrahona azy ireo jiolahy mba hamerina ireo mpitandro ny filaminana raha tsy izany dia hovonoin’izy ireo ireo olona efatra ireo. Nanao ny sakana rehetra nanaronana ny alan'Analakinapa ny zandary taorian'izany na dia nisy aza ny fandrahonana.Votsotra teny amin'ireo jiolahy noho io antony io i Angela, 15 taona, afak’ omaly Alahady 28 Aprily izay nilaza fa mbola misy olona miisa 3 voatazon'ireo jiolahy. Votsotra taorian'ny savahao ihany koa izy telo ireo omaly Alatsinainy antoandro ihany ka zazavavy kely 12 taona no zandriny indrindra. Tsy nisy tratra moa ireo jiolahy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo olona 4 votsotra teo am-pelatanan’ireo jiolahy sy ireo mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • FIKASANA HANGALA-JAZA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Lehilahy iray voasambotra

  • HALATRA MIARO VONO OLONA
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Olona 6 voasambotra tany Betafo

  • Halatra sy sabôtazy…
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Nisy naka indray ny taribin-jiro

  • MPANAO HALA-BOTRY
  • Talata 22 Septambra 2026

ENY ATSIMONDRANO

  • Mbola mafy
  • Zoma 18 Septambra 2026

ny mafian'ny trafikam-bolamena

  • Fitifirana ny razafozam-baviny
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nidoboka any Tsiafahy ilay miaramila Sergent

Hijery ny tohiny
FTT